1) Mifalia, ry zatovo , dieny mbola tanora ianao, Aoka hampifaly izay jeren'ny masonao, Mandehana amin’izay sitraky ny fonao, Nefa tsarovy fa mbola hotsaraina ianao. Refrain Katsaho aloha ny Fanjakany, Katsaho hatrany ny fahamarinany Dia hanampy anao Izy amin’izay rehetra ilainao Izy no hiantehero, Izy no hantenao. 2)Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ? Mba ho hadio lalandava ny androm-piainany? Ny Teninao, Tompo no ho arahiny hatrany, Hahazoany fandresena amin’ny ratsy etỳ an-tany. Refrain: Pont: Dieny mbola tanora, tsarovy ny Mpahary anao, Fa mandalo izao tany izao sy ny filàna rehetra izay hatao. Ho avy ny fahanterana, ho lany ny andro hiainanao, Koa miomàna dieny izao, ka I Jesosy no hantenao. Refrain: