Ref:Hidera Anao aho, Andriamanitro Mpanjakako, Hasandratro ny Anaranao, mandrakizay doria; Isan’andro isan’andro no hankalazako Anao, Hidera ny Anaranao ,mandrakizay doria. 1)Tompo ô, Ianao no namorona, Tao an-kibon-ny neny no nandrafetanao ahy; Tena mahagaga ny asanao, Ary lalina ny fikasanao, Fantatry ny fanahiko tanteraka izany. Ref: 2)Hatramin’ny fahazazako sy ny fahatanorako, Dia tsy miova Ianao, fa miaro ahy. Na mihafotsy aza ny voloko, Ianao no mitondra ahy, Ary mamonjy mandrakizay. Ref: Instrument.